# Famantarana lehibe hafa inona ihany koa no hita teny amin'ny lanitra? Teny amin'ny lanitra dia nahitana dragona mena goavam-be izay nanana loha fito sy tandroka fito, ary nisy satro-boninahitra fito teo amin'ireo lohany. # Inona no nataon'ilay dragona tamin'ny rambony? Nifaoka ny ampahatelon'ny kintana teny amin'ny lanitra tamin'ny rambony izy ary nanipy azy ireo teny amin'ny tany. # Inona no tian'ilay dragona ho atao? Ilay dragona dia naniry handrapaka ny zanak'ilay vehivavy.