# Iza no nanoratra ity boky ity, ary iza no nanoratana izany? Jaona no nanoratra ity boky ity, ary nosoratany ho an'ireo fiangonana fito tao Asia. # Inona ireo fiantsoana telo nomen'i Jaona an'i Jesosy? Jaona dia nanome an'i Jesosy Kristy ireo fiantsoana hoe: vavolombelona mahatoky, lahimatoa amin'ny maty, ary mpanapaka ireo mpanjakan'ny tany. # Nataon'i Jesosy ho inona ireo mpino? Jesosy nanao an'ireo mpino ho fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitra ilay Ray.