# Inona no asain'ny mpanoratra ataon'ny rehetra amin'Andriamanitra? Asainy mihira mafy sy mihiakam-pifaliana izy ireo. # Zavamaneno inona no asain'ny mpanoratra lalaovin'ny olona raha mihira izy ireo? Tokony hively ampongatapaka sy hitendry lokanga mahafinaritra miaraka amin'ny valiha ny olona. # Rahoviana ny olona no tokony hitsoka ny anjomaran'osilahy? Tokony hitsoka anjomara izy ireo amin'ny andron'ny volana vaovao, dia ilay andron'ny fenomanana, rehefa manomboka ny andro firavoravoan'izy ireo.