# Inona no nataon'i Balama ny maraina? Nifoha maraina i Balama, nanisy lasely ny borikiny, ka nandeha niaraka tamin'ireo mpitarik'i Moaba. # Nahoana no nirehitra ny hatezeran'Andriamanitra? Nirehitra ny hatezeran'Andriamanitra satria nandeha niaraka tamin'izy ireo izy. # Inona no nataon'ilay anjelin'i Yaveh? Nipetraka teo an-dalana toy ny mpifahavalo amin'i Balama, izay nitaingina ny borikiny ny anjelin'i Yaveh. # Inona no hitan'ny borikin'i Balama nijoro teo amin'ny lalana? Nahita ny anjelin'i Yaveh nijoro teo an-dalana ilay boriky ary nisy sabatra voatsoaka teny an-tanany. # Inona no nataon'ny borikin'i Balama rehefa nahita ilay anjelin'i Yaveh izy, ary nataon'i Balama inona ilay borikiny? Niala tamin'ny lalana ny borikin'i Balama ka nankany an-tsaha; nikapoka ilay boriky mba hamerina azy amin'ny lalana i Balama.