# Inona no fanontaniana napetrak'i Jesosy tamin'ireo mpianany rehefa nankany Kaisaria-filipo? Nanontany tamin'ireo mpianany Jesosy hoe: "Iza no filazan'ny olona ny Zanak'Olona?" # Iza no fiheveran'ny olona sasany an'i Jesosy? Noheverin'ny olona sasany fa Jaona Mpanao Batisa, na Elia, na Jeremia, na iray tamin'ireo mpaminany Jesosy. # Inona no valin-teny nomen'i Petera ho an'ny fanontaninan'i Jesosy? Namaly Petera hoe: "Ianao no Kristy, ilay Zanak'Andriamanitra Velona."