# Iza no nitondra an'i Jesosy nankany an'efitra mba halain'ny devoly fanahy? Ny Fanahy Masina no nitondra an'i Jesosy nankany an'efitra mba halain'ny devoly fanahy. # Hafiriana no nifadian'i Jesosy hanina tany an'efitra? Nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina tany an'efitra Jesosy. # Inona no fakam-panahy voalohany naroson'ny devoly an'i Jesosy? Nalain'ny devoly fanahy mba hanova ny vato ho mofo Jesosy. # Inona no nasetrin'i Jesosy ilay fakam-panahy voalohany? Nambaran'i Jesosy fa tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra.