# Firy taona Jesosy tamin'ny nahatongavan'ireo lehilahy manam-pahalalana hijery Azy? Mbola zaza kely Jesosy tamin'ny nahatongavan'ireo lehilahy manam-pahalalana hijery Azy. # Inona no fanomezana natolotr'ireo lehilahy manam-pahalalana an'i Jesosy? Nomen'ireo lehilahy manam-pahalalana volamena, ditin-kazo manitra, ary miora i Jesosy. # Taiza no lalana niverenan'ireo lehilahy manam-pahalalana rehefa nody, ary nahoana izy ireo no nandeha tamin'io lalana io? Lalan-kafa no niverenan'ireo lehilahy manam-pahalalana rehefa nody satria nampitandrina azy ireo tao amin'ny nofy Andriamanitra mba tsy hiverina any amin'i Heroda.