# Inona no tranga hanondro fa efa akaiky ny faharavan'i Jerosalema? Rehefa voadidina miaramila Jerosalema, dia efa akaiky izay ny faharavany. # Inona no asain'i Jesosy ataon'ny olona izay mahita fa efa akaiky ny faharavan'i Jerosalema? Asainy mandositra any an-tendrombohitra izy ireo, miala ny tanàna, ary tsy miditra ny tanàna. # Inona no hiantsoan'i Jesosy ireo andron'ny faharavan'i Jerosalema ireo? Ho antsoiny hoe: andron'ny valifaty, fahatanterahan'ny zavatra rehetra efa voasoratra ireo.