# Ahoana no namalian'i Simona Petera an'i Jesosy tamin'ny fanintelony nanontanian'i Jesosy an'i Petera raha tia an'i Jesosy izy? Tamin'ny fanintelony nanontaniana azy dia namaly Petera hoe: "Tompo, Ianao mahalala ny zavatra rehetra, fantatrao fa tia Anao aho." # Tamin'ny fanintelony namalian'i Petera ny fanontanian'i Jesosy hoe: "Tia Ahy ve ianao?" dia inona no nasain'i Jesosy nataon'i Petera? Tamin'ny fanintelony dia hoy Jesosy taminy hoe: "Fahano ny ondriko." # Inona no nolazain'i Jesosy an'i Simona Petera fa hitranga aminy rehefa antitra Simona? Jesosy niteny an'i Simona Petera fa rehefa antitra izy, dia haninjitra ny tananya ary olon-kafa no hampiankanjo azy sy hitondra azy amin'izay tsy tiany aleha.