# Inona no natraon'ireo Kaldeana (Babyloniana) tamin'ireo ankohonana sy mandan'i Jerosalema? Nodoran'izy ireo. # Iza no nentin'i Nebokadnezara natao sesitany? Nentiny natao sesitany ireo olona ambony izay tavela tao amin'ilay tanàna sy ireo vahoaka izay nitsoaka an'ireo Kaldeana. # Olona inona no navelan'i Nebokadnezara hipetraka teo amin'ilay tanànan'i Joda? Navelany hipetraka teo ireo olona faran'izay mahantra. # Inona no nomen'i Nebokadnezara ho an'ireo olona izay nijanona? Nanome tanim-boaloboka sy saha ho an'ireo olona izay tavela tao i Nebokadnezara.