# Iza no ho faizin'i Yaveh amin'izany andro izany? Hanafay an'ireo antokon'ireo avo any ambony sy ireo mpanjakan'ny tany ety an-tany Yaveh. # Inona no ho famaizana an'ireo antokon'ny avo any ambony sy ireo mpanjakan'ny tany ety an-tany? Hiara-hangonina izy ireo, ho gadra anaty lavaka ary ho vaohidy any am-pigadrana ary afaka andro maro dia ho helohina izy ireo. # Nahoana ny volana no ho menatra ary ny masoandro no ho afa-baraka? Izany dia satria hanjaka eo amin'ny tendrombohitr'i Ziona sy any Jerosalema, ary eo anatrehan'ireo loholony am-boninahitra Yaveh.