# Inona no tsy maintsy ataon'izay nampianarina ny teny miaraka amin'ny mpampianany? Ny olona nampianarina ny teny dia tsy maintsy mizara ny zavatra tsara rehetra miaraka amin'ny mpampianany. # Inona no mitranga amin'izay rehetra ambolen'ny olona ara-panahy? Na inona na inona hambolen'ny olona ara-panahy dia ho jinjainy. # Inona no jinjain'ny olona izay mamboly amin'ny nofony manokana? Ny olona izay mamboly amin'ny nofony manokana dia mijinja fahasimbana amin'ny nofony. # Inona no jinjain'ny olona izay mamboly amin'ny Fanahy? Ny olona izay mamboly amin'ny Fanahy dia minjinja ny fiainana mandrakizay amin'ny Fanahy.