# Fahasamihafana amin'ny inona no ho ampianarin'ireo mpisorona ny vahoaka? Ireo mpisorona dia hampianatra ny vahoaka ny fahasamihafana eo amin'ny masina sy ny tsy masina, ny maloto sy ny madio. # Inona no andraikitry ny mpisorona amin'ny fifandirana eo amin'ireo Israelita? Ny mpisorona dia mitsanga mitsara eo amin'ny vahoaka miaraka amin'ny lalàn'i Yaveh, ary mila marina.