# Iza no tsy niraharaha ny fahatsiarovana an'i Josefa? Ny mpanjaka vaovao nitsangana nanapaka an'i Egypta, no tsy nahafantatra ny fahatsiarovana an'i Josefa. # Inona no noeritreretin'ny mpanjakan'ireo Egyptiana fa hitranga raha tsy mifampiraharaha am-pahendrena amin'ireo Israelita izy ireo? Natahotra ny mpanjakan'ireo Egyptiana fa hitombo hatrany ireo Israelita, ary raha vaky ny ady, dia hanatevin-daharana ireo fahavalony izy ireo, hiady amin'izy ireo ary handao ny tany izy ireo.