# Inona no asaina ataon'ireo Israelita amin'ny lehilahy na vehivavy izay nanao zavatra ratsy toy ny fanompoana andriamanin-kafa na fiankohofana eo amin'izy ireo? Hitora-bato hahafaty azy iroe ireo Israelita. # Vavolombelona firy no ilaina handresy lahatra ny olona ho faty? Vavolombelona roa na telo no ilaina handresy lahatra ny olona ho faty. # Iza no hitora-bato voalohany rehefa mametraka ny olona ho faty? Ny tanan'ny vavolombelona no voalohany hitora-bato, arahin'ireo ambiny amin'ny vahoakan'ny Israely. # Nahoana ireo Israelita no hitoraka ny olona izay nanao izay zava-dratsy tamin'ny fanompoana ireo andriamanin-kafa ho faty? Hanala ny ratsy izay eo amin'izy ireo izany.