# Taiza no nanandratana an'i Kristy? Nasandratra mba ipetraka eo amin'ny tanan'ankavanan'Andriamanitra Izy. # Inona no tokony tadiavin'ireo mpino ary inona no tsy tokony tadiavina? Tokony hitady ireo zavatra ambony ireo mpino, fa tsy ireo zavatra eto an-tany. # Taiza no nametrahan'Andriamanitra ny fiainan'ireo mpino? Nafenin'Andriamanitra tao amin'i Kristy ny fiainan'ireo mpino. # Inona no hiseho amin'ireo mpino rehefa naseho i Kristy? Rehefa naseho i Kristy, dia haseho ihany koa ireo mpino miaraka amin'ny voninahiny.