# Farany, inona no nataon'ny synedriona tamin'ireo apostoly? Nokapohin'ny synedriona izy ireo ary nodidiany tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesosy, ary navelany nandeha. # Ahoana no fihetsik'ireo apostoly nanoloana ny fitondrana azon'izy ireo tamin'ny synedriona? Nifaly izy ireo fa nisaina ho mendrika ny hiaritra fanalam-baraka nohon'ny anaran'i Jesosy. # Inona no nataon'ireo apostoly isan'andro taorian'ny fihaonan'izy ireo tamin'ny synedriona? Nitory ary nampianatra isan'andro izy ireo fa i Jesosy no Kristy.