# Inona no nolazain'ilay tovolahy fa nasain'i Saoly hataony? Nolazain'ilay tovolahy fa nasain'i Saoly mba hitsangana eo akaikiny ary hamono azy izy. # Nahoana no nangataka ilay tovolahy Amalekita mba hamono azy Saoly? Nasain'i Saoly ho vonoin'ilay tovolahy Amalekita izy satria hoy izy: "...fahoriana lehibe no manjo ahy, kanefa mbola ato amiko ny aina.' # Rehefa avy namono an'i Saoly ilay tovolahy dia inona no nalainy tamin'i Saoly? Nalain'ilay tovolahy ny satro-boninahitra izay teo amin'ny lohan'i Saoly sy ny fehin-tanana teo amin'ny sandriny.