# Ahoana no isan'i Joda sy Israely? Joda sy Israely dia maro toy ny isan'ny fasika amoron-dranomasina. # Hatraiza no nanjakan'i Solomona? Solomona dia nanjaka nanerana ny fanjakana avy eny amin'ny Renirano ka hatreny amin'ny tanin'ny Filistina mankany amin'ny sisin-tanin'ny Egypta. # Inona no tahirin-tsakafon'i Solomona mandritry ny iray andro? Ny tahirin-tsakafon'i Solomona mandritra ny iray andro dia koba, hena, omby, ondry, serfa, gazela, kapreola, ary vorona nohatavezina.