# Iza no tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra? Ireo tsy marina; ireo vetaveta, ireo mpanompo sampy, ireo mpijangajanga, ireo lehilahy mpivaro-tena, ireo izay miara-mandry amin'ny samy lehilahy na samy vehivavy, ireo mpangalatra, ireo tsy mahalala onona, ireo mpimamo, ireo mpanaratsy, ireo mpisoloky dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. # Inona no zava-niseho tamin'ireo Korintiana mpino izay tsy nanao ny marina taloha? Nodiovina izy ireo ary nohamasinina; nohamarinina teo amin'Andriamanitra tamin'ny anaran'ny Tompo Jesosy Kristy ary tamin'ny alalan'ny Fanahin'Andriamanitsika.