forked from WA-Catalog/plt_tn
950 B
950 B
Nanana rambo nisy fanindromana toy ny maingoka izy ireo
Ny teny hoe: "Izy ireo" dia maneho an'ireo valala.
nisy fanindromana toy ny maingoka
Ny maingoka dia biby kely izay manana fanindromana manapoizina eo amin'ny rambony. Ilay tsindrona dia mahatonga fanaintainana mafy na fahafatesana mihitsy aza.
ao amin'ny rambon'izy ireo no misy ny hery hanimba ny olona mandritra ny dimy volana
Ireo mety ho dikany: 1) Manana hery hamely ny olona mandritra ny dimy volana izy ireo na 2) afaka manindrona ary mahatonga ny olona manaintaina mafy mandritra ny dimy volana izy ireo.
ilay lavaka tsy hita noanoa
Lavaka lalina sy tery. Ireo mety ho dikany 1) ny lava-drano dia tsy misy fiafarana; fa miha-midina lalina mandrakizay na 2) lalina tokoa ny lava-drano toy ny hoe tsy misy fiafarana izany.
Abadona ... Apolyona
Ireo anarana roa ireo dia midika "fahapotehana."
mbola hisy loza roa ho avy
Ny ho avy dia resahina toy ny hoe ho tonga.