plt_tn/rev/09/05.md

1.3 KiB

Tsy nahazo alalana izy ireo

Ny "Izy ireo" dia manondro an'ireo valala. (9:3)

ireo olona ireo

ny olona izay notsindromin'ireo valala

Tsy nahazo alalana hamono ireo olona ireo izy ireo, fa hampijaly azy ireo mandritra ny dimy volana ihany

Eto ny teny hoe: "nahazo alalana" dia efa fantatra. DH: "fa nahazo alalana hampijaly azy ireo fotsiny ihany"

hampijaly azy ireo

"hampijaly azy ireo amin'ny fanaintainana mahatsiravina"

hampijaly azy ireo mandritra ny dimy volana ihany

Ireo valala dia avela hanao izany mandritra ny dimy volana.

ny tsindron'ny maingoka

Ny maingoka dia biby kely izay manana fanindromana manapoizina eo amin'ny rambony. Ilay tsindrona dia mahatonga fanaintainana mafy na fahafatesana mihitsy aza.

hitady fahafatesana ny olona

Ny fahafatesana dia resahina toy ny hoe zavatra mivaingana izay azon'ny olona iray hiafenana. DH: "ny olona dia hitady lalana hahafatesana" na "hiezaka hamono ny tenan'izy ireo ny olona"

fa tsy hahita izany

"tsy hahita fomba hahafatesana izy ireo" na "tsy afaka ny ho faty izy ireo"

Haniry ny ho faty mafy izy ireo

"te-ho faty tanteraka izy ireo" na "maniry mba ho faty izy ireo"

handositra azy ireo ny fahafatesana

Jaona dia miresaka ny fahafatesana toy ny hoe afaka hitsoahan'ny olona iray na biby iray. DH: "tsy afaka ny ho faty izy ireo" na "tsy ho faty izy ireo"