forked from WA-Catalog/plt_tn
32 lines
2.0 KiB
Markdown
32 lines
2.0 KiB
Markdown
# Aza avela hisy na iza na iza ... hitsara anareo ka tsy hahazoanareo ny lokanareo
|
|
|
|
Eto Paoly dia manondro ireo mpampianatra sandoka toy ny hoe manao kolikoly ny fitsarana amin'ny fifaninanana atletika izay hanala tsy ara-drariny ireo mpino amin'ny fandresena ny loka izay ho azy ireo, ary miteny an'i Kristy namonjy olona iray toy ny hoe Kristy manome loka an'izay mpandresin'ny fifaninanana tahaka izany. DH: "Aza avela hisy na iza na iza ... hanala anareo amin'ny fandresena ny lokanareo"
|
|
|
|
# izay mila ny fanetren-tena
|
|
|
|
Ny teny hoe: "fanetren-tena" dia hevitra ambadiky ny asa izay ataon'ny olona iray ka hampieritreritra ny hafa fa io olona iray io dia manetry tena. DH: "izay mila anao manao zavatra mampiseho fa manetry tena ianao"
|
|
|
|
# miditra amin'ny zavatra hitany
|
|
|
|
Eto Paoly dia miresaka momba ny olona izay manambara hoe manana nofy sy fahitana avy amin'Andriamanitra ary miteny am-pireharehana momba azy ireny.
|
|
|
|
# ary manjary voatevateva amin'ny fisainan'ny nofony
|
|
|
|
Eto Paoly dia miteny fa ny fomba fisainana feno fahotana dia mahatonga ny olona hiavonavona. DH: "mieboebo amin'ny fomba fisainany ara-nofo"
|
|
|
|
# mieboebo
|
|
|
|
Eto ny olona iray izay mirehareha dia resahina toy ny hoe zavatra izay nasian'ny olona rivotra mba hampivelatra azy.
|
|
|
|
# ny fomba fisainany ara-nofo
|
|
|
|
Eto ny hevitry ny nofo dia maneho ny maha-olombelona mpanota. "fisainana feno fahotana izay eritreretiny"
|
|
|
|
# Tsy mihazona izy
|
|
|
|
Paoly dia miresaka ny fahatokisana an'i Kristy toy ny hoe misambotra an'i Kristy amin'ny tanana iray. DH: "Tsy misambotra azy mafy izy" na "Tsy misarangotra izy," tahaka ny fitazoman'ny zanaka mafy ny ray aman-dreniny.
|
|
|
|
# Izany dia avy amin'ny loha izay nomen'Andriamanitra ny vatana manontolo manerana ireo vanin-taolany sy ny hozany izay manome ka mihazona izany rehetra izany mitambatra
|
|
|
|
Paoly dia miresaka ny fiangonana, izay entin'i Kristy sy tohanany hery, toy ny hoe vatan'olombelona. "Izany dia avy amin'ny loha izay nanome ny vatana manontolo amin'ny alalan'ny vanin-taolany sy ny hozany ka mihazona izany mitambatra"
|