forked from WA-Catalog/plt_tn
32 lines
1.3 KiB
Markdown
32 lines
1.3 KiB
Markdown
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
|
|
|
|
namarana ny fangatahany tamin'i Paoly i Jakoba sy ireo loholona tany Jerosalema.
|
|
|
|
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
|
|
|
|
Eto ny teny hoe "izahay" dia manondro an'i Jakôba sy ireo loholona.
|
|
|
|
# tokony hitandrina ny tenany amin'ny zavatra vita sorona ho an'ny sampy izy ireo, avy amin'ny rà, avy amin'izay nokendaina, sy avy amin'ny fijangajangana.
|
|
|
|
Ireo rehetra ireo dia fitsipika momba izay azon'izy ireo hoanina. Tsy mahazo mihinana henam-biby fatao sorona ho an'ny sampy izy ireo, hena mbola rà ao anatiny, ary ny hena avy amin'ny biby nokendaina satria mbola misy rà eo amin'ny henany.
|
|
|
|
# alain'i Paoly ireo lehilahy
|
|
|
|
Ireo no 4 lahy izay nanao voady.
|
|
|
|
# nanadio ny tenany niaraka tamin'izy ireo
|
|
|
|
Mialohan'ny idirana ao amin'ny faritry ny tempoly ireo Jiosy dia tokony ho madio ara-pomba sy madio ara-dalàna. Io fanadiovana io dia natao tamin'ireo Jiosy nifandray tamin'ireo Jentilisa.
|
|
|
|
# niditra tao an-tempoly
|
|
|
|
Tsy niditra tao amin'ny tempoly izy ireo fa ny mpisoronabe ihany no afaka niditra. Niditra tao an-kianjan'ny tempoly izy ireo. DH: "niditra tao amin'ny tokotanin'ny tempoly"
|
|
|
|
# andron'ny fanadiovana
|
|
|
|
Izany dia dingana fanadiovana samihafa izay takiana amin'izy ireo mba hotanterahina mba ahafahana miditra ao amin'ny faritry ny tempoly.
|
|
|
|
# mandra-panatitra ny fanatitra
|
|
|
|
DH: "mandra-panatitra ireo biby atao sorona"
|