1.6 KiB
za tamin'ireo mpanomponao rehetra moa no mahatoky fatratra tahaka an'i Davida ... an-tranonao?
Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "Tsy misy amin'ireo mpanomponao no mahatoky tahaka an'i Davida ... an-tranonao."
mpiambina
olona na vondron'olona miaro olona iray
omem-boninahitra ao an-tranonao
Ny teny hoe "trano" dia fibangoan-teny ilazana ny fianakaviana mipetraka ao amin'ilay trano. Io dia azo atao hoe DH: "izay omen'ny fianakavianao voninahitra"
Androany angaha no fotoana voalohany nivavahako tamin'Andriamanitra mba hanampiany azy?
Mametraka io fanontaniana io amin'ny tenany i Ahimeleka mialohan'ny ametrahan'i Saoly izany. avy eo dia valiany avy hatrany izany. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "Tsy izao no voalohany nivavahako tamin'Andriamanitra mba hanampy an'i Davida"
Sanatria amiko anie izany!
Io dia fomba fiteny izay midika hoe "tsia avy hatrany!"
Aza mamela ny mpanjaka hanisy na inona na inona amin'ny mpanompony na amin'ny ankohonan-draiko rehetra. Fa ny mpanomponao dia tsy mahalala na inona na inona
Ataon'i Ahimeleka hoe "mpanomponao" ny tenany. Antsoin'i Ahimeleka hoe "ny mpanjaka" ihany koa i Saoly. Miteny tahaka izany i Ahimeleka mba hanehona fanajana an'i Saoly. DH: "Mba aza raisina ho meloka re ry Saoly Mpanjaka, izaho mpanomponao, na izay rehetra ao an-tranon'ny raiko. Fa tsy mahalala na inona na inona"
hanisy
mandray ny olona iray ho meloka
amin'ny ankohonan-draiko rehetra
Eto ny "ankohonana" dia ilazana ny "fianakaviana." DH: "amin'ny fianakavian-draiko rehetra"