# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny mpisolo-tena "-nareo" sy "ianareo "dia manondro olona maro avokoa. # alika ... kisoa Noraisin'ireo Jiosy ho maloto ireo biby ireo, ary niteny tamin'ireo Jiosy mba tsy hihinana izany Andriamanitra. Ireo dia sarin-teny ilazana ny olona ratsy fanahy izay maniratsira ny zavatra masina. Ny tsara indrindra dia ny mandika azy ara-bakiteny. # vatosoanareo Mitovy amin'ireny vato sarobidy boribory na perla ireny io. Sarin-teny ilazana ny fahalalana an'Andriamanitra na ny zavatra sarobidy amin'ny ankapobeny izany. # voahitsany "maty ho voahitsak'ireo kisoa" # hifotitra sy hamiravira "ary avy eo ny alika hifotitra ary hamiravira"