# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manohy mampianatra ireo mpianany amin'ny Toriteny teny An-tendrombohitra, izay nanomboka tao amin'ny 5:1 i Jesosy. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny mpisolo-tena "-nareo" sy "anareo" ary ireo didy dia manondro olona maro. # Aza mitsara Misy hevitra ambadika izany fa ny hoe "mitsara" dia "manameloka mafy" na "manambara fa meloka." DH: "Aza manameloka mafy ny olona" # tsy hotsaraina ianareo Azo atao hoe DH: "Tsy ho melohan'Andriamanitra mafy ianareo" # Fa Ezaho mba ho azon'ny mpamaky fa izay lazaina ao amin'ny 7:2 dia mifototra amin'izay nolazain'i Jesosy tao amin'ny 7:1. # amin'ny fitsarana nataonareo, no hitsarana anareo Azo atao hoe DH: "Ho melohan'Andriamanitra araka ny hanamelohanao ny hafa ianao" # fandrefesana Ireo mety ho dikany dia 1) io no haben'ny famaizana hatao na 2) io no fomba atao amin'ny fitsarana. # no handrefesana anareo Azo adika hoe DH: "Andriamanitra no handrefy izany ho anareo"