# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny mpisolo-tena "-nareo" sy "anareo" dia manondro olona maro. # lazaiko aminareo Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io teny io. # aminareo Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. # tsy lehibe noho ny sakafo va ny fiainana Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampianarana ny olona. DH: "mazava ho azy fa mihoatra noho izay hohaninareo ny aina, ary ny vatanareo dia mihoatra noho izay itafianareo" # an-tsompitra toerana fametrahana vokatra # Rainareo Fiantsoana manan-danja ilazana an'Andriamanitra io. # Tsy sarobidy kokoa mihoatra ireny ve ianareo? Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampianarana ny olona. DH: "Mazava ho azy fa sarobidy mihoatra noho ny vorona ianareo."