# Fampifandraisana ny foto-kevitra Manomboka mampianatra momba ny vavaka i Jesosy. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny teny hoe "-nareo" sy "anareo" ao amin'ny andininy 5 sy 7 dia manondro olona maro. # mba mety ho hitan'ny olona Midika izany fa ireo izay mahita azy ireo dia hanome haja azy ireo. Azo atao hoe DH: "mba ho hitan'olona ka homeny haja izy ireo. # Lazaiko marina aminareo "Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io. # midira ao amin'ny efi-tranonareo. Hidio ny varavarana "mandehana any amina toerana mitokana" na "mandehana any amin'izay maha mety ho irery anao" # Rainareo izay ao amin'ny mangingina Ireo mety ho dikany dia 1) tsy misy afaka mahita an'Andriamanitra, na 2) Ao amin'izany toerana mitokana izany miaraka amin'ilay olona mivavaka Andriamanitra. # Rainareo Fiantsoana manan-danja ilazana an'Andriamanitra io. # Rainareo izay mahita ao amin'ny mangingina "ho hitan'ny Rainareo izay hataonareo ao amin'ny toerana mitokana ary" # manao teny maro tsy misy ilàna azy "mamerina teny tsy misy dikany" # ho re izy ireo Azo atao hoe DH: "ny andriamanitra sandok'izy ireo no handre azy ireo''