# Mihavàna... amin'ny ... anao Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny teny hoe "-nareo" ao amin'ny hoe "Efa renareo" sy ny hoe "lazaiko aminareo" dia manondro olona maro. # ny mpiampanga anao Olona manameloka olona iray nohon'ny fanaovany zavatra tsy mety io. Entiny any amin'ny fitsarana ilay nanao ny tsy mety mba hiampangana azy eo anatrehan'ny mpitsara. # ny mpitsara mety hanolotra anao amin'ny manam-boninahitra Eto ny hoe "hanolotra anao" dia midika hoe manolotra ny olona iray eo amin'ny fanapahan'ny olon-kafa. DH: "ho atolotry ny mpitsara eo amin'ny manam-boninahitra ianao" # manam-boninahitra olona manana fahefana ny handray ny fanapaha-kevitry ny mpitsara. # hatao ao an-trano maizina ianao Azo atao hoe DH: "mety halefan'ny manam-boninahitra any am-ponja ianao" # Lazaiko marina aminareo "Milaza ny marina aminareo Aho." Io fehezanteny io dia manamafy izay lazain'i Jesosy manaraka. # mivoaka avy ao "mivoaka avy ao an-trano maizina"