# ianao Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay i Jesosy. Manondro olona iray ny hoe "ianao" sy "-anao", saingy mety mitaky anao handika izany amin'ny fanondroana olona maro ny fiteninao. # manolotra ny fanatitrao "manome ny fanatitrao" na "mitondra ny fanatitrao" # eo amin'ny alitara Midika izany fa ny alitaran'Andriamanitra ao amin'ny tempolin'i Jerosalema io. DH: "ho an'Andriamanitra eo amin'ny alitara ao an-tempoly" # ka tsaroanao teo "ary raha mitsanga eo amin'ny alitara iny ianao ka mahatsiaro" # manana alahelo aminao ny rahalahinao "misy olona hafa tezitra aminao nohon'ny zavatra iray nataonao" # Mihavàna aloha amin'ny rahalahinao Azo atao hoe DH: "Mihavàna amin'ilay olona aloha"