# Tsy misy olona mandrehitra jiro "Ny olona dia tsy mandrehitra jiro" # mametraka izany any ambany harona "mametraka ilay jiro any ambanin'ny harona." Milaza izany fa fahadalana ny manao jiro mba hanafina izany fotsiny ka tsy ho hitan'ny olona ny fahazavan'ny jiro. # Aoka hazava eo anoloan'ny olona ... ny fahazavanareo Midika izany fa tokony hiaina amin'ny fomba tahaka izany ireo mpianatr'i Jesosy mba hianaran'ny hafa momba ny fahamarinan'Andriamanitra. DH: "Aoka ny fiainanareo ho tahaka ny jiro izay mazava manoloana ny olona" # ny Rainareo izay any an-danitra Ny tsara indrindra dia ny mandika ny hoe "Ray" amin'ny teny izay mahalaza amin'ny fomba tsotra ny hoe ray (olombelona) amin'ny fiteninao manokana.