# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Io no manomboka ny tantara vaovao ao amin'ny fizaran-tantara momba ny asa faonompoan'i Jesosy. Eto Izy dia manomboka manangona lehilahy ho mpianany. # nanipy harato tao an-dranomasina Ny hevitra fenon'ity teny ity dia azo atao mazava tsara. DH: "nanipy harato tao anaty rano mba hisaka trondro" # Avia, manaraha Ahy Manasa an'i Simona sy Andrea hanaraka, hiara-hiaina aminy, ary ho mpianany i Jesosy. DH: "tongava ho mpianatro" # hataoko mpanarato olona ianareo Io sarin-teny io dia midika fa i Simona sy Andrea dia hampianatra ny olona ny hafatra marin'Andriamanitra. DH: "Hampianatra anareo hanangona olona ho aty amiko tahaka ny hanangonanareo trondro Aho"