# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny mpanoratra dia manomboka amin’ny firazanan’i Jesosy mba hanehoana fa Izy dia taranak’i Davida Mpanjaka sy Abrahama. Ilay firazanana dia mitohy hatrany amin’ny 1:15. # Ny bokin’ny firazanan’i Jesosy Kristy Afaka adikanao amin’ny fehezanteny feno io: “Izao no lisitr’ireo razamben’i Jesosy Kristy” # Jesosy Kristy, zanak’i Davida, zanak’i Abrahama Nisy taranaka maro nanelanelana an’i Jesosy, Davida, ary Abrahama. Eto ny “zanaka” dia midika hoe “taranaka.”: “Jesosy Kristy, taranak’i Davida, izay taranak’i Abrahama” # Zanak’i Davida Indraindray ny teny hoe “zanak’i Davida” dia ampiasaina ho fiantsoana, fa eto izany dia toa ampiasaina hamantarana ny niavian’i Jesosy fotsiny ihany. # Abrahama no rain’Isaka “Abrahama lasa rain’Isaka” na “Abrahama nanan-janaka an’Isaka” na “Abrahama nanan-janaka antsoina hoe Isaka.” Misy fomba maro azo andikanao an’io. Na ahona na ahoana fomba hadikanao azy eto, dia ny mandika izany amin’ny fomba mitovy ao amin’ny lisitry ny razamben’i Jesosy no tsara indrindra. # Isaka ray… Jakoba ray Eto ny teny hoe “no” izay maneho ny lasa dia fantatra: “Isaka no ray… Jakoba no ray” # Fareza … Zara … Hezrona … Rama Anaran-dehilahy ireo. (Izahao: Ny Fomba Hadikana ny Anarana) # Fareza ray…Hezrona ray Eto ny teny hoe “no” izay maneho ny lasa dia fantatra: “Fareza no ray… Hezrona no ray”