# hametraka izany ao am-ponareo Ity dia maneho ny fiheveran-javatra ho tena manan-danja. D.H: "hevero ho manan-danja lehibe izany" # hamomezana voninahitra ny anarako Ny voninahitra dia voalaza toy ny hoe zavatra izay azo omena olona. # ny anarako Eto ity filazàna ity dia maneho an'Andriamanitra. # handefa hozona aminareo Aho Ilay hozona dia voalaza toy ny hoe zavatra iray izay azo alefa eo amin'ny olona. D.H: "Hozoniko ianareo" # tsy nataonareo tao am-ponareo ny didiko Ity dia maneho ny fiheverana ny didin'Andriamanitra ho tena manan-danja. D.H: "tsy nihevitra ny didiko ho tena manan-danja ianareo."