# Fanamarihana amin'ny ankapobeny: Yaveh miteny masiaka amin'ireo mpisorona mampiasa ny sarin-dresaka ao amin'izay hankahalan'ireo mpisorona izay anaovan'izy ireo ny marina nefa Yaveh miteny izay ratsy hataon'izy ireo. # nanao tsinontsinona ny anarako Eto ny "anarako" dia midika ny tenan'i Yaveh. D.H: "Hevero tahaka ny nankalanao ahy" # Ahoana no nanaovanay tsinontsinona ny anaranao? Eto ireo mpisorona dia manontany mba hanambara fa izy ireo tsy mbola nanao tsinontsinona an'i Yaveh marina. Azo lazaina ho fanambarana iray izany. D.H: "Mbola tsy nanao tsinontsinona ny anaranao marina izahay." na "Lazao anay ny fomba nanaovanay tsinontsinona ny anaranao, satria tsy nihevitra izay nataonay izahay." # mofo voaloto Eto ny "voaloto" dia mamaritra zavatra tsy tsara anaovana sorona amin'Andriamanitra. # Ahoana no nandotoanay Anao? Eto ireo mpisorona dia manontany mba hanambara fa izy ireo tsy mbola nandoto an'i Yaveh marina. Azo lazaina ho fanambarana iray izany. D.H: "Mbola tsy nandoto Anao izahay." na "Lazao anay ny fomba nandotoanay Anao, satria tsy nihevitra izay nataonay izahay." # nandotoanay Anao Ity filazana ity dia maneho faniratsiràna an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fanomezana sorona ratsy. # latabatra Ity dia maneho ny alitara. # Tamin'ny filazana fa tsy misy dikany ny latabatr'i Yaveh. Ity dia valin-teny izay omen'i Yaveh ireo mpisorona, saingy ny valin-teny feno dia efa voalaza. Azo lazaina mazava tsara izany. D.H: "Efa nandoto Ahy tamin'ny alalan'ny fitenenana ianareo hoe: 'tsy misy dikany ny latabatr'i Yaveh."' # tsy misy dikany zava-poana.