# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # amin'ny foko manontolo Eto ny teny "fo" dia manoeho ny aty manontolon'ilay olona sy ny fihetseham-pony. DH: "amin'ny tenako manontolo" # ao amin'ny fiangonan'ny olo-marina, ao amin'ny fivondronan'izy ireo Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary mety akambana raha ilaina. DH: "ao amin'ny fivondronan'ny olo-marina" # nandrasan'izay rehetra naniry azy ireo tamim-paharisihana Ny teny "izy ireo" dia manondro ny "asan'i Yaveh." DH: "ireo rehetra izay maniry fatratra ireo asan'i Yaveh dia miandry izany" # nandrasana tamim-paharisihana Ireo mety ho heviny dia 1) "nitady fatratra" na 2) "nandalina."