# Olona iza no maniry fiainana sy tia andro maro, mba hahitany soa? Ny valinteny tsy dia mazava amin'ity fanontaniana ity dia "ny olona rehetra." Ity fanontaniana fampisainana ity dia dia azo adika ho fanambarana. DH: "Ny olona rehetra dia maniry fiainana ary maniry hiaina andro marosy hanana fiainana mamy" # ambeno amin'ny ratsy ny lelanao ... ambeno amin'ny filazana lainga ny molotrao Ireo andianteny roa ireo dia manondro zavatra mitovy ary lazaina amina fomba samihafa mba hanamafisana ny maha zava-dehibe izany. # Koa ambeno amin'ny ratsy ny lelanao Eto ny "lela" dia manondro ilay olona manontolo. DH: "Noho izany, dia aza miteny ratsy" # ambeno amin'ny filazana lainga ny molotrao Eto ny "molotra" dia manondro ilay olona miteny. DH: "aza milaza lainga" # Halaviro ny ratsy Eto ny "Hanalavitra" dia sarinteny ho amin'ny fialàna ny ratsy. DH: "Aza manaiky hanao ratsy" (UDB) # Mitadiava fihavanana Eto ny "mitadiava" dia midika ho miraharaha fihavanana. DH: "Miezaka mafy hiaina amim-piadanana amin'ny olon-kafa"