# ilay reny nanapaka tao Israely Miresaka ny fitondran'i Debora tahaka ny hoe renin'Israely izany. DH: "Niahy an'ireo Israelita tahaka ny fiahian'ny reniny ny zanany aho" # izy ireo nisafidy ireo andriamanitra vaovao Ny dika fenon'izany andian-teny izany dia azo atao mazava hoe DH: "nidera andriamanitra vaovao ny vahoakan'Israely" # nisy ady teo amin'ny vavahadin'ny tanàna Eto ny hoe "vavahady" dia midika hoe ny tanàna manontolo. Ny dika fenon'izany andian-teny izany dia azo atao mazava hoe DH: "nanafika ny vahoaka tao amin'ireo tanàna Israelita ireo fahavalo" # tsy nisy ampinga na lefona hita teo amin'ireo olona efatra alina tao Israely Izany andian-teny izany dia azo antoka fa fanitaran-kevitra ilazana fa vitsy ny fitaovam-piadiana nanan'ireo Israelita. DH: "fitaovam-piadiana vitsy no tavela tao Israely" # efatra alina tao Israely "40.000 tao Israely"