# Nirehitra tamin'i Israely ny hatezeran'i Yaveh Nampitahaina tamin'ny afo mandoro ny hatezeran'i Yaveh # ity firenena ity dia nandrava Eto ny hoe "firenena" dia ireo vahoaka. DH: "ireo vahoaka ireo dia nandrava" na "ireo Israelita dia nandrava" # razana Eto dia ilazana ireo razambe an'olona na vondron'olona izany. # tsy nihaino ny feoko izy ireo "Feo" eto dia entina ilazana ireo izay nolazain'i Yaveh. DH: "tsy nankatò izay nandidiako azy ireo izy ireo" na "tsy nankatò Ahy izy ireo" # ireo firenena Eto ny hoe "firenena" dia ilazana ireo vondron'olona izay nonina tao Kanana talohan'ireo Israelita. # hitandrina ny lalan'i Yaveh sy handeha amin'izany izy ireo Ny fanirian'i Yaveh ny vahoaka mba hiaina sy hankatò dia resahina toy ny hoe lalana. Ny olona iray mankatò an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lalany.