# Ary Yaveh nanandratra mpitsara Ny fanendren'i Yaveh olona ho mpitsara dia resahina ny hoe nanandratra olona Izy. # tamin'ny tanan'ireo izay "tanana" eto dia midika hoe hery. DH: "avy amin'ny herin'ireo fahavalony" # tsy nihaino ireo mpitsarany izy ireo "tsy nankatò ireo mpitsarany izy ireo" # nanolotra ny tenany toy ny mpijangajanga tamin'ireo andriamanin-kafa sy nanompo ireo Ny fivadihan'ny vahoaka tamin'i Yaveh sy ny fanompon'izy ireo andriamani-kafa dia resahina toy ny hoe nijangajanga ny vahoaka. DH: "Nivadika taminy tamin'ny fanompoana andriamanitra tsy izy" # Nivily faingana tamin'ny lalana niainan'ireo razany izy ireo Ny tsy fanompoan'ny vahoaka an'i Yaveh tahaka izay nataon'ireo razany dia resahina toy ny hoe nivily sy nandeha tany amin'ny lalan-kafa tsy tahaka ireo razany ny vahoaka. # ireo razany "ireo razambeny"