# nanafika ny tanàna izy ireo "tanàna" eto dia midika hoe vahoaka. DH: "nanafika ny vahoakan'ny tanàna izy ireo" # tamin'ny lelan-tsabatra "tamin'ny tendro-tsabatra." "Sabatra" eto dia maneho ireo sabatra sy ireo fitaovam-piadiana hafa izay nampiasain'ny miaramila tamin'ny ady. DH: "tamin'ny lelan-tsabatra" na "tamin'ireo fitaovam-piadian'izy ireo" # mandehana Fomba fiteny izany. DH: "mandosira" # Lozy Izany tanànan-dehibe vaovao izay nanomboka tao amin'ny tanin'ireo Hitita izany dia nampitondraina ny anaran'ny tanàn-dehibe Lozy, akaikin'i Betela, izay nilaozan'ilay lehilahy. # izay anarany mandraka androany. "mbola izany foana ny anarany." "Mandraka androany" eto dia hilazana ny fotoana izay nanoratana ny bokin'ny Mpitsara.