# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ovain'i Jakoba ho famporisihina ireo mpino ny loha-hevitra momba ny fananarana ireo olona mpanan-karena teo. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Eo am-pamaranana, dia mampatsiahy ireo mpino momba ny fiavian'ny Tompo i Jakoba ary manome lesona fohifohy maromaro ny amin'ny fomba fiainana ho an'ny Tompo. # Koa mahareta "Noho izany, miandrasa ary mitonia" # mandra-piavin'ny Tompo Io fehezan-teny io dia maneho ny fiverenan'i Jesosy, rehefa hanomboka ny fanjakany eto an-tany Izy ary hitsara ny olona rehetra. DH: "mandra-piverin'i Kristy" # ny mpamboly Mampiasa fanoharana momba ny mpamboly sy ireo mpino i Jakoba mba hampianarana ny hevitry ny faharetana. # Hatanjaho ny fonareo Mikasika ny fon'ireo mpino i Jakoba mba hahavonona azy ireo hanolo-tena hatrany. DH: "Manolora-tena hatrany" na "hamafiso hatrany ny finoanareo" # efa akaiky ny fiavian'ny Tompo "hiverina tsy ho ela ny Tompo"