# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manondro ireo mpino izay nanoratan'i Jakoba avaokoa ny "ianareo" ato amin'ity ampahany ity. # mifanaratsy "manohitra" na "milaza zavatra ratsy momba" # ry rahalahy Ataon'i Jakoba toy ny hoe mpirahalahy iray rà ireo mpino. DH: "ry mpino namako" # fa mpitsara "fa manao toy ny olona izay manome ny lalàna ianareo" # Iray ihany no manome lalàna sy mitsara Manondro an'Andriamanitra io. "Andriamanitra ihany no manome ny lalàna sy mitsara ny olona" # Iza moa ianao, izay mitsara ny namanao? Io dia fanontaniana fampisainana izay ampiasain'i Jakoba mba hibedesana ireo mpamaky. Azo adika ho teny tsotra io. DH: "Olombelona ihany ianao ka tsy afaka ny hitsara olombelona"