# Fa ny karazam-bibidia rehetra ... olombelona Ny teny hoe "karazana" dia ilazana ny bibidia rehetra na karazany maro. Azo adika hoe DH: "Nianatra nifehy ireo karazam-bibidia, vorona, biby mandady, ary hazan-dranomasina maro ny olona'' # biby mandady Biby mikisaka amin'ny tany. # zava-boaharin-dranomasina Biby velona any anaty ranomasina. # Fa momban'ny lela, tsy misy olona mahavita mamolaka izany Oharin'i Jakoba amin'ny bibidia ny lela. Eto ny "lela" dia maneho ny fanirian'ny olona hilaza fisainan-dratsy. # ratsy tsy hay fehezina Raisina ho toy ny mitovy amin'ny ratsy, izay tsy misy afaka mifehy ny lela. Maneho ny fanirian'ny olona hanambara fisainan-drasty io. # feno poizina mahafaty Oharin'i Jakoba amin'ny bibilava na zava-maniry misy poizina ny fahafahan'ny olona iray miteny. Ny poizina no loza hateraky ny teny eo amin'ny olona iray.