# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manohy milaza amin'ireo mpino Jiosy izay niparitaka momba ny fiainana amin'ny fifankatiavana i Jakoba ary mampatsiahy azy ireo mba tsy hiangatra amin'ireo olona mpanan-karena manoloana ireo rahalahy mahantra. # Ry rahalahiko Raisin'i Jakoba ho mpino Jiosy ireo mpamaky. DH: "Ry namako mpino" na "Ry rahalahiko sy anabaviko ao amin'i Kristy" # mihazona ny finoana an'i Tompontsika Jesosy Kristy Ny finoana an'i Jesosy Kristy dia raisina toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona iray hifikirana. # Tompontsika Jesosy Kristy Tafiditra ao anatin'io mpisolo-tena tampisaka "-tsika" io i Jakoba sy ireo namany mpino. # amin'ny fiangarana amin'ny olona sasany faniriana hanampy ny olona sasany mihoatra noho ny hafa # Ataovy hoe misy olona Manomboka mamaritra toe-javatra izay mety hanomezan'ireo mpino haja ny mpanan-karena mihoatra noho ny olona mahantra i Jakoba. # manao peratra volamena sy akanjo tsara "miakanjo tahaka ny olona mpanefoefo" # mitoera eto amin'ny toerana tsara hipetraka eto amin'ity fitoeran'ny manan-kaja ity # Mitsangàna ianao ery mihisaka eny amin'ny toerana tsy manan-kaja # Mipetraha eto an-tongotro mifindra eny amin'ny toerana mietry # moa tsy mifampitsara aminareo ianareo? Moa tsy lasa mpitsara amin'ny eritreri-dratsy ianareo? Mampiasa fanontaniana fampisainana i Jakoba mba hampianarana ary koa hibedesana ireo mpamaky. DH: "Mifampitsara eo aminareo ianareo ary lasa mpitsara manana fisainana ratsy"