# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Paoly dia manohy ny fanomezany torolalana an'ireo mpino ny amin'ny fomba fiainana sy fitenenana. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Eto ny teny hoe: "izahay" dia maneho an'i Paoly sy Timoty fa tsy ireo Kolosiana. # Mahareta mandrakariva amin'ny fivavahana "Mivavaha am-pinoana hatrany" na "Mivavaha mandrakariva" # hanokafan'Andriamanitra varavarana "Andriamanitra dia hanome fahafahana" # ny fahamarinana miafin'i Kristy Izany dia maneho ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, izay tsy fantatra talohan'ny fahatongavan'i Kristy. # Nohon'ny amin'izany, dia voafatotra aho Eto ny hoe: "voafatotra" dia hevitra ambadiky ny hoe any an-tranomaizina. DH: "Nohon'ny fitoriana ny hafatr'i Jesosy Kristy no mahatonga ahy ho aty an-tranomaizina ankehitriny" # Mivavaha mba ahafahako manazava izany "mivavaha mba ho afaka miteny mazava ny hafatr'i Jesosy Kristy aho"