# Fampifandraisan ny foto-kevitra Paoly dia manome torolalana an'i Timoty ny amin'ny fomba tokony hiainana ho an'i Kristy, ahoana ny hijaliana ho an'i Kristy, ary ahoana ny hampianarana ny hafa mba hiaina ho an'i Kristy. # avy amin'ny taranak'i Davida DH: "izay taranak'i Davida" # izay natsangana tamin'ireo maty DH: "izay natsangan'Andriamanitra" # araka ny hafatry ny filazantsarako Paoly dia miresaka momban'ny hafatry ny filazantsara toy ny hoe azy manokana izany. Milaza izy fa ity no hafatry ny filazantsara izay ambarany. DH: "izay araky ny hafatrin'ny filazantsara izay toriko" # ny amin'ny hoe voafatotra Eto ny hoe "voafatotra" dia midika ny hoe any am-ponja. DH: "Ao anatin'izany ny figadrana" # ny tenin'Andriamanitra dia tsy voafatotra Eto ny hoe "voafatotra" dia maneho ny hoe figadrana. DH: "Tsy misy olona afaka mametraka ny tenin'Andriamanitra any am-pigadrana" na "tsy misy olona afaka misakana ny tenin' Andriamanitra" # an'ireo voafidy DH: "Ho an'ireo olona izay nofidian'Andiamanitra" # mba ho afaka handray ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy ihany koa izy ireo Paoly dia miresaka ny famonjena toy ny hoe zavatra izay azo samborina izany. DH: "handray ny famonjena avy amin'i Jesosy Kristy" # amin'ny voninahitra mandrakizay "ary mba ho ao aminy mandrakariva izy ireo ao amin'ny toeram-boninahitra izay misy azy"