# Yaveh no aloka eo amin'ny tananao ankavanana Eto ny "aloka" dia manondro fiarovana. DH: "Eo anilanao Andriamanitra hiaro anao amin'ireo zavatra izay mety hamely anao" # eo amin'ny tananao ankavanana Eto ity fomba fiteny ity dia midika fa akaiky na anilan'ny mpanoratra. # Tsy hanimba anao ny masoandro nony andro, na ny volana nony alina Ny fifanoheran'ny teny "andro" sy "alina" dia manondro an'ireo farany roa ireo sy izay rehetra eo anelanelany. DH: "Andriamanitra miaro anao hatramin'ny kely indrindra ary amin'ny fotoana rehetra" # na ny volana nony alina Azo atao mazava tsara ny hevitra feno amin'ity fanambarana ity. DH: "na ny volana hanimba anao nony alina"