# feonao mikotroka Izany dia manondro ny kotroka tahaka ny feon'Andriamanitra. DH: "feo, izay mafy tahaka ny kotroka" na "feo avo dia avo" # ny tselatra nanazava ny tany Ny tselatra dia toa manazava ny tany manontolo. DH: "ny tselatra nanazava ny zava-drehetra hatramin'izay farany hitantsika" # ny lalanao ... ny lalanao Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra iraisana ary ampiarahina mba ho fanamafisana. # ny dian-tongotrao Asafa miteny an'i Yaveh toy ny hoe olona manan-tongotra. Satria fampitoviana amin'ny olona izany, dia tokony adika ara-bakiteny izany, raha mety. # Nitondra ny vahoakanao tahaka ny ondry aman'osy Ianao Ity dia fampitahana mampitovy ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny ondry aman'osy. # tamin'ny alalan'ny tanana Ny andianteny "tamin'ny alalan'ny tanan'" eto midika "tamin'ny alalan'ny nataon'" na "tamin'ny nataon'" # tanana Eto ny "tanana" dia fibangoan-teny ho an'ilay olona manontolo.